AZA HATAO (RASOA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy zavatra tsy metyIzay azo hialana eto an tany
Dia ny manery olona hitia
Fa tsy mba manontany
Ftiavana miredareda
Tsy mba hay nofefena
Tsy nahay niandry izay valiny
Izay mbola nihenahena
Misy koa fitaizana
Izay mety raha hialana
Dia ny mahery setra @ ankizy
Indraindray tsy voatana
Mampitondra ny mangidy
Sady misy fangejana
Jereo anie fa misy
Lalana hafa koa ombana
Misy koa fitondran tena
Mañakana ny fitoviana
Mihendrika fanosena
Tsy mihaino n'y hafa na oviana
Tena tsy misy handaharana
Fa toa miziriziry
Efa betsaka ny maratra
Nefa dia Mbola mikiry
RASOA
APRILY 2015
--------
Lien:
