MAMANGY HAVANA (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiana ho tazonina
Mbola hiara monina
Nefa efa voazara
Ny tokantrano tsara
Mbola Irina hitohy
Na dia hita hoe fohy
Ny sangy sy sakafo
Sy resaka tsy miato
Satry tsy hifarana
Tsy hanam- pitsaharana
Ny todika ny lasa
Ireo sary sy ny tafa

Tsy mahalavi-tany
Fa tonga manontany
Vaovao sy maresaka
Salama ianareo sa ketraka
Mitondra fanomezana
Ny tsirairay tetezina
Tsy misy diso anjara
Izay Ilay mahay mizara
Dia faly mikorana
Ny fotoana no tsy tana
Tonga mamangy ny havana
Hanamafy ny ftiavana

RASOA
JANOARY 2013
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
273 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOA
Inséré par : rarakivy
Date : 16/04/2025 21:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117