MIASÀ (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mitovy rehefa teraka
Nefa samy nomena saina
Fa izay mivalaketraka
Dia hijanona hitaraina
Satria miainga @ tsy misy
Ny nofinofy izay tiana
Raha miasa tsy mitsitsy
Dia ho tojo izay hilaina

Ny asa fitadiavana
Tena mila fahazotoana
Sanatria tsy ambany ny havana
Fa ny asa koa tompoina
Ka na vatana aza ketraka
Rehefa te handroso
Dia tsy mitaraina tana-miepaka
Tsy manaiky ny hikoroso

Na hatsiaka na hafanana
Tsy ahoana ny fotoana
Mivonona ny hitanà
Hiaritra mandava- taona
Dinganina izay sakana
@ hevitra hitarina
Efa tena latsa-paka
Ny hevitra hiarina

Adinoy ny fialam-boly
Ny asa no himasoana
Andao hiari-tory
Fa tsy ampy ny fotoana
Tsy misy ny voahositra
Fa izay manao mihoatra
Mihezaka mifofotra
Ireo no tafavoaka

Andeha ny asa ho hajaina
Fa tena fototrin' ny aina

RASOA
FEBROARY 2013
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
314 1
Fans: rarakivy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116