You are here: home > Vetso

ANIO ALOHA - RASOA

Azo vakiana?

Ataoko matsiro aloha
Izay androany
Ny ampitso tsy hay
Na ngidy na mamy
Sanatria Aho marary
Tsy ho tafatsangana
Misy loza mitranga
Tsy misy hiangana

Hanangona hiafy
Hitsinjo ny ho avy
Tsy ahita fifaliana
Anahy hoe mafy
Na dia hoe fahendrena
Ny mijery ny ampitso
Ny tsy hifaly anio
Dia mikofoka diso

Koa andao hikorana
Sy hitotororebika
Hiaino mozika
Sy ho miran'endrika
Ny lasa tsy tana
Tsy azo ho samborina
Ny ho avy tsy fantatra
Handao tsy hatahorana
Ny ankehitriny hiainana
Handao hifotorana

               MARS 2018

Mombamomba

Mpanoratra : RASOA

Nampiditra : RASOA16
Daty : 05/08/2022
Mpamangy : 48
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MANAVAKA
FANADINOANA
TETEZANA
TSY MILAMIN-TSAINA
TSY NISALASALA
MPANOFA
FAHENDRENY
MIOVĂ€
MAMPIARAKA
TSENA