AVIA, MANDEHANA, MIJANONA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avia manantona
Aza matahotra
Ny fonay misokatra
Aza mihaotra
Izay rehetra nomena
Dia ampy mizara
Mbola misy amelana
Ireo any afara

Mandehana mandeha
Aza malaina
Ento daholo
Izay azo bataina
Mitobaka ny eto
Tsy hita izay hanaovana
Ny any lavitra any
Tena tsy ampy fitaovana

Mijanona eto akaikiko
Fa izaho aza ariana
Mbola be no tsy tanteraka
Amin'ireo vinavina
Raha lasa ianareo
Dia tsy ho tafarina
Raha miaraka isika
Dia afa- miarina

RASOA
OKTOBRA 2014
--------
Rohy:
339 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 10/04/2022 18:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145