AZA ADINO AHO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza adino aho
Raha anaty fifaliana
Tandremo sao variana
Izaho ilay nitsikitsiky
Tsy nitsahatra mihitsy
Ny endriko ho mirana
Tamin' ireo sahirana
Noresahiko nosahaniko
Ny mpiara-belona amiko

Aza adino aho
Raha anaty fahoriana
Mitanondrika sy gina
Fa Izaho nijoro foana
Nihezaka hanafoana
Hanamaivana ny vesatra
Tsy adinoko ny niresaka
Nitafa tamin' ireo mpiara-monina
Ny hifandray aho dia vonona

Aza adino aho
Rehefa ao anaty asa
Fa betsaka ny zavatra kinasa
Entina hampandrosoina
Ireo izay anaty voina
Fanampiana ny manodidina
Nohezahina ho tohizina
Hatramin'ny fiainantsika roa
Nantenaina handroso koa

Tandremo aho sao adino
Tsy eo intsony fa hoe lasa
Aza maika ny hamafa
Izaho mbola te hijanona
Fa tsy isika no.mandamina
Izaho tsy mbola te handeha
Fa tsy isika no mifehy
Izaho tsy mbola te hisaraka
Fa indray andro any mbola ho tafaraka

Aza adino fa izaho
Ilay tia indrindra anao

Raha tsy tianareo hadino aho
Ireo ankohonako mba karakarao
Aza avela irery sy hitoreo
Na hiantso hoe mba vonjeo
Ianareo sisa no zandry sy zoky
Handry am piadanana Aho, mahaTOKY

RASOA
23 JANOARY 2023
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
641 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 01/04/2022 21:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793