Ampidiro aloha ny tenimiafina
FAHAZARANA (RASOA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy fahazaranaT@ nanambadiako
Nanantena fahasambarana
Ianao no olon- tiako
Taona vitsy aty aoriana
Mivadika ho fahazarana
Lasa fery, fahoriana
Olatra tsy hay triarina
Dia toy ny fahazarana
Ianao milaza tia
Nefa tsy azoko amaharana
Raha solafaka ny dia
Toy ny fahazarana
Ny firaisana matory
Lamba no hiarahana
Fa ny fo tsy ao ntsony
Toy ny fahazarana
Ny famerenana ny dina
Nefa tsy misy farany
Ny famitahana " Ilay tiana"
Toy ny fahazarana
Ianao manambanimbany
Tsy misy andaharana
Izaho lavo mitsilany
Toy ny fahazarana
Ny tambitamby keliny
F efa mahazo vahana
Ny fitiavany any ivelany
Toy ny fahazarana
Mitrena izy, masiaka
F'efa henoko mibahana
Ny foko mangatsiaka
Toy ny fahazarana
Ny tsy an-kiteniteniny
Izay hitambarany
@ Ilay reniny
Toy ny fahazarana
Ny fieboeboana
Fa voaloan - daharana
Nahazo asa ambony
Tsy misy fahazarana
Hitodi-doha aho
Hitady "fahafahana"
Fiainam-baovao
RASOA
DESAMBRA 2011
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
