AZA HINDRAINDRAINA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza hindraindraina
Fa anjary harary saina
Lazaina hoe Izaho no tsara Indrindra
Dia tsy ho haiko ny hamindra
Ka rehefa any aoriana
Dia mety ho fahoriana
Satria ny endriko sy ny vatako
No indro lasa asandratro
Ka raha misy sahy manankina
Dia izaho no tezitra tsy hangina

Aza dokadokafana
Hoe izaho tonga lafatra
Fa aleo aho hifangaro
Hifandray amin'ny maro
Ny talenta ho voleko irery
Fa ny toetra aleo hijery
Koa atoseho aho hihosona
Ahay miaina raha mitrosona
Ahitsio aho ahay miaina
Fa mbola zaza mila fitaizana

Aza deraderaina
Hoe izaho tokana lalaina
Dia atobaka amiko ny rehetra
Ny faniriako tsy hanam-petra
Ireo sitram-poko ho tanterahina
Mamela ahy hibahabahana
Ka rehefa injay aho tsy mahazo
Midradradra, ranomaso
Ny hiafarako tia-tena
Tsy mizara, miandry omena

RASOA
MAY 2013
--------
Rohy:
Sokajy : ahy
287 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 19/04/2022 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109