COVID 19 (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahasalamana no voalohan-karena
Manaiky daholo ny firenena
Areti- mandoza ity tsy hita fefena
Tsy misy fanafody, tsy maintsy ekena

Dia najanona ny toe- karena
Tena tsy ho tratra ny zava-kendrena
Nakatona daholo hatramin' ny tsena
Izany tokoa no fahendrena

Tsy vitsy ny olona manetritena
No hita miova, tsy tia tena
Mifanohana mafy tsy mihenahena
Hadino daholo ny hafetsifetsena

Na ory na manana toa mahonena
Donam- pahoriana, mananon-tena
Mizaka ny mafy, mitondra kilema
Nefa mbola miady no manantena

Ny rivo- maloto kosa aloha nihena
Ireo zava-boahary tsy dia nosena
Fa Toa mitombo sy sesehena
Hatramin' ny tany miha-maintso tsy mena

Misy foana aloha ireo mahasorena
Tsy manara- dalana, tsy azo fefena
Manararaotra mivoaka hoe manatanjatena
Kanefa Dia hita fa tsy mahafehy tena

Ny faniriako dia aharitra ela
Ny fifanohanana fa tsy ho avela
Samy ahafantatra fa tsy misy afa-bela
Satria tany iray no mitondra am-babena

RASOA
20 Mars 2020
Confinement 17 mars-23 avril
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
64 1
Mpakafy: rarakivy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 01/09/2024 16:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1126