FAHASAMBARANA (RASOA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanimboly KelyTsy dia manao ahoana
Ny vokatra azo aminy
Mahavita taona
No hivoahana hasaina
Isaky ny maraina
Mampazoto miasa
Satria tsy hofaina
Zaratany koa
Afaka nanorenana
Eny an dohasaha
Tena tsara toerana
Azon.ny masoandro
Tena feno hafanana
Mampavitrika ahy
Mahatsiaro aho fa salama
Vonga-kena Kely
Masahana handrahoina
Ronono vao noterena
No tonga dia sotroina
Ireo no vokatra azo
T@ fiompiana
Tiako ho zaraina
Loharanom- pifaliana
Ny hariva efa lanaka
Ny hery koa mihena
Ny vady sy ny zanaka
No indray mitsena
Izany tokoa
No tena fahasambarana
Mifaly sy miravo
@ izay eo am-pelatanana
RASOA
OCT 2011
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
