FANADINOANA (RASOA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antsoiko tsy tonga ianao ry fanadinoana
Hanampy ahy hanadino tsy ho tsaroana
Ny foko misokatra tsy mety mihidy
Ny saiko mitodika minia mitadidy
Ka mba mila anao aho , avia mba ampio
Ireo tsiahy rehetra mba avilio
Verezo ny dia, koseho sy fafao
Mba ho zavatra hafa, fiainam-baovao

Kanefa rehefa mitodika aho ry fanadinoana
Dia tsy mila anao aho ho eo anoloana
Ireo fotoana mamy niainako taloha
Mahafinaritra ahy rehefa mifoha
Larony fitiavana, tsy tsy tiako ho fafana
Tsy tiako ho very, koloiko hafana

Fantatro ankehitriny ry fanadinoana
Fa ahy ny safidy, anao ny fotoana
Ny hany mba hatako dia andao ho sivanina
Ny tiako hariana, ireo lalaiko hajanona
Ireo tsara rehetra na ny ratsy izay nisy
Mba ahazoako mandroso, ahazoako manitsy

RASOA
JOLAY 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
446 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 06/08/2022 11:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156