FANOMEZANA (RASOA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hanantenana valiny
Tsy hiandrasana takalony
Fa natolotra, nomena
Ireo teny mamy sy babena
Tsy nilaina tambiny
Natobaka tsy misy ambiny.

Ekena fa tsy lavorary,
Nefa niaretana narary
Ekena fa tsy tonga lafatra
Nefa izay aloha no takatra
Ekena fa tsy tapitr'ohatra
Ka nahatonga hisy hanohitra
Ekena fa tsy faratampony
Fa mba ankafizo koa ny akantony

Ny teniteny sy kobay
Sanatria tsy hanafay
Fa te hanana ny tsara
Dia tsy maintsy koa nandrara
Ny fitaizana hoe nalalaka
Dia niaro koa tsy ho solafaka
Eny ny saina teritery
Dia niaro tsy ho very

Izay rehetra notadiavina
Dia fanomezana hanasoavana
Hatramin'ny asa ahazoana vola
Satria tsy ampy ny angola
Dia fitaovana hamaharana
Fa tsy tanjona hotratrarina

Ireo fahafahana tsy nihidy
Dia fanomezana safidy
Nefa koa tsy maintsy noferana
Mba ho fefy tsy hanenenana
Iray ihany ny faniriana
Hanome ianareo any aoriana

RASOA
Desambra 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
490 1
Mpakafy: RASOA16
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 26/03/2022 21:52
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138