FOTOANA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandalo toy ny tselatra
Tsy misy "ankehitriny"
Indray mikopak'elatra
Dia mivadika "fahiny"
Tsy hita akory ho angonina
Hampiasaina amin ny manaraka
Tsy azo hoe foronina
Raha misy zavatra tsy araka

Mivadika ho lasa
Tena tsy azo ho tanäna
Ny ho avy sy kinasa
Toa zavatra efa niainana
Ny ora toa minitra
Ireo minitra tena fohy
Vetivety dia ritra
Tsy voatazona afoy

Handramana hitarina
Raha tara na mba maika
Tsy maintsy koa atrehina
Rehefa injay mipaika
Tsy hita ny fandehany
Rehefa anaty fitahiana
Toa mihisatra Izy, tsy mihetsika
Rehefa anaty fahoriana

Hery tonga tsy antsoina
Fanafody mahasitrana
Ny ratra sy ny alahelo
Akombony hivintrana
Nefa koa mamela marika
Sy kentrona amin'ny tava
Rehefa ela niainana isika
Ny fotoana no mandrava

RASOA
MAY 2013
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
365 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 19/04/2022 09:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01