HANDOHALIAKO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeo ahy ny hazo fijaliana
Mavesatra indrindra fa ho zakaiko
Angoniko ny hery
Ny olona hanampy dia ho bataiko
Ahelezo koa ny hanohanana
Sy ny mosary tena mafy
Fa izaho vonona ny hamboly
Sy hiasa ary koa hamafy

Na ho avy koa aza ny tondradrano
Ka ny nohariana ho fefika avokoa
Eo isika mpiaramonina
Hifanome tanana, hanamboatra fefiloha
Ny tany hihovitrovitra
Hivaky sy hitresaka
Tsy ho voafehintsika
Andeha tsy hivalaketraka

Ireo ray sy reny koa, lasana mialoha
Manaraka laharana
Mbola eo ny vady sy mpiraitampo
Tena azoko hamaharana
Efa nolalovako ny areti-mandoza
Tena nila tsy ho zakako
Noho ny fitahiana sy ny fanafody
Dia sitrana ny vatako

Ny fitia mety zaraina
Mety handao ilay andefimandry
Izaho hangahiahy irery
Mbola manantena ny hiondan-
tsandry
Ny Ady maro isan'andro
Toe-karena ary koa fifaninanana
Raha hiteraka fandriampahalemana
Dia omeko sy zaraiko ny eo am-pelatanana

Esory amiko ny asa fitadiavana
Sy ny fidiram-bola ary izay mety asa
Izaho mbola hiezaka ny hitady
Tsy hanaiky ny ho kivy fa mbola
hikasa

Fa tena hiangaviako sy hitalahoko
Ary handohaliako
Aza esorina amiko ireto zanako
Antony fisiako
Ekeko misy fahoriana mafy
Raha mbola tany koa ny tany
Fa Tsy manam- paharoa, tsy hay hionona aho
Raha ny zanako no Alainy.

RASOA
FEBROARY 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
226 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 02/06/2023 08:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138