HITAKO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitako izany tsy nahatakatra
Te hanana, tsy nety tafakatra
Tsy milamin- tsaina, zary toa taitra
Sivanina daholo ny zavatra maika

Hitako izany hoe tsiriritina
Nirobaroba tsy mba nifintina
Ireo faniriako tsy misy noferako
Toa maro be no maniry ny toerako

Nampianan-tena aho ahay mba hionona
Tsy hitady zavatra hafa hoe ho foronina
Ahatsiaro sambatra amin'izay efa nomena
Ny ankoatr'izay fahasoavana ekena

RASOA
DESAMBRA 2013
--------
Rohy:
263 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 18/04/2022 18:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148