HIVONDRONA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha isika hivondrona
Ka na ny rariny aza fisaka
Tsy hijanona ho dondrona
Tsy hanaiky ny hakisaka

Hampiasaina ny gazety
Ka hampangaina @ soratra
Izay zavatra tsy mety
Aoka izay ny hoe miforitra

Ary ny fahitalavitra
Sy izay haino aman- jery
Hilazana koa fa tsy avotra
Ny hevitra an-kiteritery

Apetaka @ rindrina
Aparitaka hiely
Mbola betsaka ireo mivindina
Isan' Andro voavely

Ho raiketina @ boky
Apetraka ho lalanà
Mba ho fanomezan- toky
@ ireo misalasala

Hikiakiaka, hitabataba
Tsy ho vizana ny tena
Ho tezitra sy hivazavaza
Mba tsy hisy tsindry hazo lena

Mbola maro no hamboarina
Vao hisy " fiainan- tsoa"
Tsy misy tsy azo ho takarina
Rehefa mivondrona ny loha

RASOA
DEC 2011
--------
Rohy:
219 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 16/04/2025 19:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144