HO AN'NY MPIFANKATIA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arovy tsara ny fitiavanareo
Ny fifampitokisana zava-kendreo
Mitandrema tsara amin'ny teny avoaka
Ny tsy azo henoina sy mety hampitsaoka
Aza saro-piaro, tsy fitiavana izany
Ny mifamitaka koa ambany dia ambany
Hiano ny fahasambarana izay azo
Fa ny ampitso tsy fantatra izay ahazo

Ataovy fitaovana ny ho enti- manana
Fa sanatria ho sakana hisarahana
Mandehana mivoaka, mizara amin'ny hafa
Manaova soritr'asa hanamafy ny rasa
Tsy manam-paharoa ny fitiavanareo
Maro koa anefa no tsy tafavoaka teo
Tsy misy fanalahidy na fahagagana
Fa samy mikolo ny azy aharitra tsara

RASOA
09 MAY 2015
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
513 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 13/04/2022 20:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011