HO SORATANA (RASOA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy zava-noforonina,
Na dia efa ela nimonimonina,
Nisy fotoana koa nangonina,
Tsy hay intsony hokobonina,
Dia nosoratana tononina.

Ny alahelo, latsalatsa
Ny fitia latsa-paka
Be ny zavatra tsy zaka,
Ka nahatonga hiambakavaka,
Dia soratana tsy handratra.

Ny fiainana izay mety,
Tao anaty fifaliana tomefy,
N' inona n' inona namefy,
Ny fahasoavana nandresy,
Ho soratana misesy.

Ny fahafahana fefena,
Fitiavan-tena mahasorena,
Izay tsy rariny sesehena,
Mila foanana,jerena,
Ho soratana, tsy ekena.

Hampivelatra,tsy hiforitra,
Fahasahiana tsy hanngovitra,
Fahavononana no hisoritra,
Ka izay tsy voalazan'ny molotra,
Ho soratana hatolotra.

© RASOA
DESAMBRA 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 26/03/2022 20:29
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143