HOTELY HAFA KELY (RASOA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahatsiaro noana tampokaDia niditra hotely
Nivoaka avy tao, voky ampoka
Ny sakafony hafa kely
Narosony ny " fiantrana"
Io tonga dia nohaniko
Omeko ny kilemaina sy ny jamba
Ireo natokako tsy laniko
"Fahaizana misaotra"
No nataoko solon-drony
Io no lasa laoka
Ny hanohanako nitony
Nisy koa ny "fahasoavana"
Nataoko nitafotafo ny lovia
Hitondrako ireo havana
Na hasaiko ho tonga aty
Be Dia be ny "zava- tsoa"
Azo hatao be fandraoka
Tena hanim-pito loha
Ianao indray no mety hiaoka
"Fahendrena" sy "fahasambarana"
No nogohiko ho solon- drano
Notohaina aho fa tsy tana
Tsy nijanona raha tsy mamo
Saika handramako ny "fahatezerana"
Satria narosony mafana
Ny hatendako no noferana
Sao hitondra adalana
Nanentoento ny "fialonana"
"Fitiavantena", "famitahana"
Nefa toa sakafo hampiolana
Dia nohezahiko tsy hohanina
Nofaranako tamin ' ny kafe
Notapohiko "teny mamy"
Dia nataoko be dia be
Hozaraiko any ho any
Entiko mody ho an ilay vady
"Fitiavana" matsiro
Isan'andro izy mitady
Izaho indraindray no manadino
Nofonosiko taratasy
"Tambitamby" sy "fianarana"
Ireto ankizy tsy hangasihasy
Ho voky hiatrika fiainana
Nataony tsindrin-tsakafo
"Famindrampo" sy "fandeferana"
Nefa nijery fotsiny ireto maso
@ manaraka aho miverina
Raha hikarakara fanasana
Ity hotely ity no finidy
Ny sakafo tena tsara
Sady tena sarobidy.
RASOA
Novambra 2012
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina