IANAREO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianareo no ray sy reniko
Tsy mbola adinoko, tsy afeniko
Loharano nipoirana
Tena hazo nifikirana
Nampijoro, naha- olona
Hiatrika sy ho vonona
Mangasihasy ireto zafikely
Tsy nahalala anareo na dia kely

Ianareo no zanako
Laniko raha azo nohaniko
Tena nihezahiko mafy
Mba hijoro sy tsy hiafy
Nentiko niampita
Satria tiako mba ahita
Iriko hisokatra @ hafa
Ho tsara tokatrano sy asa

Ianao no vadiko
Lasako sy ho aviko
Hizarako ny mangidy
Fifaliana sy safidy
Mafy sy ny mahafinaritra
Mora sy ny sarotra
Tsy hisaraka na hiala
Raha tsy ny aina no tsy tana

Ianareo no mpiraitampo
Tena nahitako spa
Na ny zoky izay nananatra
Tsy nitsahatra nampianatra
Na ny teny tsotra an ilay zandry
Niampy ireo sangisangy
Dia nahatsapako hatramin'izay
Izany hoe mifanapaka tsinay

Ianareo no namako
Nahalala ny isan 'androko
Maro be no niharahana
Hirahira sy fianarana
Tsy nety tapaka mihitsy
Satria isika tsy nitsitsy
Nitandro sy nanaja
Ny finamanana tsy ho rava

RASOA
NOVAMBRA 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 29/06/2023 17:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139