KAFE (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa injay aho vizambizana
Nefa tokony mbola ho tohizana
Na hoe mba te-hipetrapetraka
Nefa tokony mbola hiezaka
Indrindra moa hoe te-hatory
Nefa mbola tsy fotoanany akory
Dia ny kafe no vonjena
Hanampy, hanarina ny tena

Karakaraiko ato an- trano
Ataoko mahery tsy be rano
Asiana kely siramamy
Na mangidy kely tiako ihany
Raha tapohina ronono
Toa very tsiro hono
Dia sotroiko mahamay
Hitan'ny aiko amin'izay

Rehefa mahazo azy ny saiko
Dia toy ny mahazo baiko
Taitaitra sy mazoto
Matanjaka sy mafy toto
Nefa dia ny saiko koa no halemeny
Hiankina aminy ombieny ombieny

RASOA
FEBROARY 2014
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
354 1
Mpakafy: RASOA16
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 08/04/2022 21:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157