KAMO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kamo be aho izany
Tsy te- hivoaka any ivelany any
Malaindaina tena kamokamo
Te hiala voly, hiala hamohamo
Raha izao no mba afaka tsy miasa
Fa misahana, manao zavatra hafa
Mitsilamodamoka dia ho rendremana
Mety ho afaka mihitsy izany fahasorenana
Hitakisikisina, hijanona am- pandriana
Hanonofy izay mety ho faniriana
Hanadino ny asa, tena miavosa
Hijanona ato an-trano, mba hitsotsotra
Tsapako mihitsy hilaozako manoaka
Ity andro mangatsiaka, tsy mampi te hivoaka
Izato havizanana toa hampianjera
Mitady zavatra hafa, hampiakatra ny tena
Nefa indrisy ny andro vao Talata
Angoniko.ny hery, hamonjy indray ny asa

RASOA
NOVAMBRA 2013
--------
Rohy:
293 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 18/04/2022 18:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138