KOBONINAO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy zavatra tsy lazaina
Ao anaty maka faka
Tsy mba tianao ho tantaraina
Na dia hita hoe efa tsy zaka
Dia notandremanao tsy hiely
Eh ! Ny saina koa noferana
Hitazona izany irery
Tsy hamoaka hanenenana

Izay no tsiambaratelo
Tsiambararoa mihitsy
Lasa nivadika alahelo
Lasa aretina mikiky
Dia hilaozan-teny ianao indraindray
Toa tsy hita mihitsy mazana
Malaindaina ny hifandray
Tsy te hijanona, tsy tana

Te hitroatra ny ao anaty
Te hilaza hanambara
Te hiteny, te hivaky
Te hiampanga, te hizara
Nefa aleonao mangina
Fa tena tsy ho voafehy
Hiampy indray ny hakiviana
Hibanabana eo ny fery

Hevitra no tsy nitoviana
Tsy nisy fanampena-bava akory
Nahatsapa ianao hoe nariana
Dia nikombona fa ory
Nefa indray andro mbola hivoaka
Izay rehetra nosaronana
Hikotrokotroka hipoaka
Izay rehetra nokobonina

RASOA
AOGOSITRA 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
238 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 30/06/2023 16:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135