MAFY NY MARARY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azoko takonana
Ny tsy fihinanan-kanina
Azoko saromana
Ny mikorontana sy tsy milamina
Azoko afenina
Ny famitahana tsy sitraka
Azoko tsy tenenina
Ny vono sy ny fitaka
Azoko sarahana
Izay nampitondra faisana
Azoko tapahina
Izay ratsy fifandraisana
.....
Fa tena miharihary
Ny tsy fahampiana
Raha sendra indray marary
Ny ao @ fianakaviana
Misedra adin-tsaina
@ aretina tsy fidy
Ny fanafody izay ilaina
Tsy takatra, tsy voavidy
........
Dia mamisavisa ny tsy tanty
Ity olon- tiana ho... faty



RASOA
JONA 2014
--------
Rohy:
241 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 30/06/2023 17:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142