You are here: home > Vetso

MAMPIARAKA - RASOA

Azo vakiana?

Mailamailaka fihetsika
Efa dodona ny andeha
Mandany ora sy fotoana
Mikarakara ny tarehy
Ny volo tsara bango
Sy ny akanjo mahasondriana
Nampiana ilay kiraro avo
Mba ahababo ilay olon- tiana

Dia nivoaka ny trano
Toa tsy tehafin- dalitra
Izay lalovany rehetra
Manentoento ranomanitra
Tsy ahoany izay aleha
Rehefa injay tafaray
Tsy tapitra akory ny anio
Dia efa miandrandra ny ampitso indray

Mifamihina ny tanàna
Satry hifampitositosy
Ny fotoana tiana hijanona
Fa hitohy ny rotsirotsy
Nefa dia tsy maintsy hifandao
Efa tena tara ny fodiana
Mety bedy indray izao
Nefa fitia no nahaliana

            RASOA
            JANOARY 2014

Sokajy : Fahatsiarovana

Mombamomba

Mpanoratra : RASOA

Nampiditra : RASOA16
Daty : 20/04/2022
Mpamangy : 174
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSY NISALASALA
MPANOFA
FAHENDRENY
MIOVÀ
TSENA
MAMAKY BOKY
HENTITRA
NY HAZO
RAHA HO AVY
FOTOANA