MANAJÀ (RASOA)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsy manana sy tsy manaja hono
Dia zavatra iray
Tsy miraharaha ny eo am-pelatanana
Dia hangaihay
Satria tsy nitaiza
Tsy nikarakara, tsy nikolo
Dia hiverîna @ tsy misy
Ho zary tanam-polo

Koa koloy ny fitia
Sy ny fananana mba aharitra
Fa ny tsy misy sy mitobaka
Dia indray mandingana, tsy voafaritra

RASOA
MARSA 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fiainana
255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 08/07/2023 06:18
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145