MANOMEZA IZAY NOMENA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay manana elatra
No afa- misidina
Vitany koa
Ny mipetany sy midina
Dia toa izany koa
Ianao izay niangarana
Mijerè ny ambany
Ampio ny tsy manana
Sokafy ny fo
Manaova mihoatra
Satria tena tsy fidiny
Ny tsy afa- manoatra

Ny lava ranjanana
No mora tafakatra
Tsy manano- sarotra
Dia mahatakatra
Dia toa izany koa
Ianao izay matanjaka
No andeha hilanja
Ny ontsa sy mianjaka
Hanome tosika
Hanampy hery
Ireo osaosa
Sy Kely hery Kely

Izay nomena dia manome
Valim-pahasoavana
Fa tsy an katerena
Ho baikon 'ny fitiavana

RASOA
Aprily 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
35 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 08/09/2024 20:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3189