MIFALIA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nahalala fahazavana
Raha tsy tao anaty aizina
Tsy nahita fahatoniana
Raha tsy efa injay nofaizina
Ireo fahahafana nomena
Tsy hita koa hoe ny lanjany
Nogejaina nofefena
Izay vao hitako ny tanjany
Ny fitiavana malalaka
Safidy izay anjara
Tena hita indray ny tsirony
Noho ny voasakana voarara
Hatramin' ny fahalemana
Tsy hay akory ny nankafÿ
Sendra ady tsy anerana
Izay vao nantsoina hoe avia
Ny fahasoavana mirotsaka
Misononoka hatrizay
Tsy tsapanao ny fisiany
Raha tsy efa nisy nahamay

Ny fiainana mandalo
Aza miandry fahoriana
Mifalia sy mihobia
Fa ho anao ny fitahiana

RASOA
MAI 2013
--------
Rohy:
297 1
Mpakafy: rarakivy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 30/03/2022 20:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146