MIFAMPAHATSIARO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alefanay mialoha
Ity taratasy ity
Hanamafy fihavanana
Hamatotra fitia
Sambatra izahay
Lavitra tomany
Irinay ianareo
Toy izany koa ny any

Asa aman-draharaha
Aty.no mahavariana
Ny ho avy ny ankizy
No mbola tsy hodiana
Tsy mitsaha- mahatsiaro
Na dia lavitra tazanina
Ianareo nahazoana vaovao
Na dia maro nosahanina

Ny sary nifandefasana
Tena ankamamiana
Ahitana ny fahalebihazana
Izay tsy azo hidifina
Raha mila fanampiana
Aza.misalasala
Izahay raha sahirana
Ianareo tsy mba miala

Na inona fananana
Sy fahavitan-tena
Mifanohana sy mifampitsinjo
No hitako fahendrena
Satria raha tsara ny lasa
Ny ho avy ho koloina
Raha banga ny toeranay
Aza dia mbola ho soloina

RASOA
MAY 20120
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
346 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 19/04/2022 08:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015