MIFANOHANA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ento am -pahatsorana
Fa aza sarotindrotiny
Aza mora sosotra
Amin'ny zavatra tsisi-fotiny
Betsaka ny olana goavana
Tena mampisendaotra
Ny zavatra mitranga
Tsy ahafahana manoatra
Hevitra tsy mitovy ve
No andeha tsy hiombonana
Zava-mafy noho izaho
Efa nifandrombonana

Ento am-pahatsorana
Aza hasiana olikolika
Hivaha ho azy ny olana
Ny fifandraisana tsy ho potika
Saina tony koa
No afaka mieritreritra
Eh ny fo tsy ho tofoka
Hadio ny adi-hevitra
Fahendrena ny mandefitra
Tsy resy akory izay mangina
Mihataka kely mampitony
Mbola hifankatia ao aoriana

RASOA
OKTOBRA 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 03/04/2022 12:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146