MITSIDIKA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga ianareo
Tonga tsy nantsoina
Varavarana mivoha
Tsy hilaina mandondona
Toa mivimbina entan- kely
Tsy natao fanampiana
Fa sakafo hiaraha- mifaly
Zava- pisotro novidiana

Matetika ianareo
Mandalo sy miserana
Efa hainareo tsara
Ny manodidina sy toerana
Najanona tokoa
Ny asa aman-draharaha
Fa ny fitiavantsika
No hamafisina tsy hivaha

Faly izahay
Tonga ianareo mitsidika
Hasandratray ambony
Tsy hataonay zava- bitika
Anjaranay indray
Ny mamangy amin'ny manaraka
Ampianarintsika hifankatia
Hifankahazo ny taranaka

RASOA
Mai 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
40 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 08/09/2024 19:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1549