MPANOFA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpanofa fotsiny aho
Amin'ity fahasambarana
Tsy mahatapak'hevitra
Na mitohy na mifarana
Ianao ihany koa
No tompon'ny fanalahidy
Ny famerana ny fepetra
Dia tsy ahy ny safidy
Raha sanatria aza aho
Tsy manaraka ny fifanarahana
Eo ny eo ihany hoy ianao
Dia hajanona tapahina
Ka na dia tiako aza
Ny mbola hialokaloka
Rehefa tsy mahaloa aho
Dia ho voaraoka tsy aharitra
Ka olon-kafa indray
No amoahanao ny fo
Fa izaho tamin'ny teo
Tsy nanaja nankatô

RASOA
SEPTAMBRA 2014
--------
Rohy:
441 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 30/04/2022 00:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147