NY HAZO - RASOA
Azo vakiana?
Tano ny "hazo" fa sarotra ny mila
Kojakojay fa aza avela ho kila
Tondratondray koa mba handrombona
Ny voniny hamelana fa tsy hikombona
Hilokalofana rehefa mahamay
Ka aza hadaraboka anjary kitay
Ny rivotra entiny mahasalama
Ireo raviny maintso, tazomy tsy hiala
Ny orana ilaina hanamando ny tany
Tsy lavorary raha tsy misy ny ala izany
Koa dia aza hatao tsinotsinona
Na ny voamboana na ny kininina
Ahazoana fanaka hialana sasatra
Na varavarana hiarovana halatra
Harena hiombonana fa andao ho volena
Ny fikapana azy, tsy ho ekekena
Ny tsy fisiany dia hita fa mazana
Tsy mitsaha-mandroso ny tany ngazana
Ny haitany no zary manjaka
Lavitra be vao mahita matsaka
Koa manainga antsika hamboly hazo
Fa tsy hifandimbiasana toy ny tarazo
Ka ny manodidina no hialana vonkona
Rehefa ny toe-karena no tsy misy atokona
RASOA
JONA 2013
Mombamomba
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16Daty : 19/04/2022
Mpamangy : 93
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY NISALASALAMPANOFA
FAHENDRENY
MIOVĂ€
MAMPIARAKA
TSENA
MAMAKY BOKY
HENTITRA
RAHA HO AVY
FOTOANA