NY SORATRA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nampitain' ireo razambeko
Ho kolokoloiko tsy ho potehiko
Ho hatsaraiko tsy ho kosehiko
Ny soratra

Namborahako ny alaheloko
Niampangako izay rehetra tsy teliko
Ho hitanareo ao aza izay mety neniko
Ny soratra

Namipiakarako ny aingam-panahiko
Marobe ny zavatra tsiahiko
Tsy tiako ambara dia izy no hirahiko
Ny soratra

Ataoko ho fialam- boliko
Faly na tsia aho tsy ho koboniko
Atosako sy ho tononiko
Amin' ny soratra

Nifandraisako t@nareo olon-tiako
Taratasy sy penina no novidiko
Alefako anareo izay tsy ampy, hampiako
Amin' ny soratra

Izy koa no nianarako
Ny abidy sy tohatra niakarako
Hatramin' izao aza ianareo taranako
Mbola mila ny soratra

Izy mitoetra no andeha aheleziko
Ny teny mandalo tsy hita ho feheziko
Ianareo ato afara mbola ampahereziko
Hanoratra

RASOA
JUILLET 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
67 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 01/09/2024 17:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2938