NY TENY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Entintsika manambara
Izay tian-kolazaina
Na ny mora izay entina
Na ny mafy tsy zaraina
Voarafiny avokoa
Ny am- po miloaka sesilany
Na ny alahelo tiana haboraka
Mbola arahiny tomany

Manamaivana ny vesatra
Manavesatra ny maivana
Fanafody mahatony
Poizina mitondra haizina
Manasitrana ny fery
Mampisokatra ny olatra
Mampitanondrika ny resy
Nefa mamporisika azy koa hanohitra

Ny teny dia mandratra
Raha sendra diso fatra
Nefa raha voalanjalanja
Dia voninahitra sy haja
Mety koa mampihomehy
Raha vazivazy voafehy
Atolotro am-panetren-tena
Mety ho lavina, mety ho ekena

RASOA
FEBROARY 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
203 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 30/06/2023 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138