OMALY SY ANDROANY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly isika toa sahirana
Tsy nahita izay mangirana
Toa tsy ho ampy izay vatsy
Mipopok'etsy, mipopok 'atsy
Ankehitriny toa mitobaka
Tsy misy intsony mifandrombaka
Izay nomena efa ampoka
Tena efa tsara antoka

Omaly ianao sy ny ankizy
Nisy fifandraisana nahakivy
Izay rehetra notadiavina
Tsy noekena, nifampilavina
Ankehitriny mahatsapa
Fa nisy fery, nisy ratra
Tsy nilaina ny fifamaliana
Raha hanamaloka ny aty aoriana

Omaly isika dia narary
Nangirifiry sy nijaly
Natahotra mihitsy ny ho faty
Nitebiteby tao anaty
Ankehitriny isika tony
Mahatsapa f Ilay ao Ambony
No mitahy sy mitantanana
Tsy nilofika ny vatana

RASOA
FEBROARY 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
288 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 26/08/2023 16:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144