RÔBÔ (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Htramin'izao aho dia mitady
Olona hiarahana
Tena mbola anaty sivana
Anaty fanavahana
Marobe mihitsy
Ny fepetra apetrako @ izany
Toy ny vehivavy mahay mitsitsy
Fa tsy mandanilany

Vehivavy matanjaka
Salama sy tomady
Fa tsy taizan ' aretina
Ho an 'ny zanako ho avy
Ho maranin-tsaina
Sy tia karokaroka
Tsy azo hambakaina
Raha sendra ady varotra

Mazava endrika jerena
Tsara bika sy manintona
Ho falifaly koa
Fa tsy kizitinjitina
Ny lakozia sy sakafo
Hainy ny mikarakara
Rehefa avy miasa aho
Harosony tsy tara

N'y fandaminana ny trano
Tsy ambanin-javatra mihitsy
Rehefa reraka iny aho
Mila tambitamby sy tsiky
Raha tsorina dia olona
Mifanaraka @ saiko
Mankató tsy miady hevitra
Fa manaiky toy ny baiko

Izany no tanteraka
Ny fiainako ho tonga lafatra
Ny toeran'ny fitia
Mbola hataoko ambanin-javatra
Nefa dia tsy mahagaga
Raha tsy mahita aho hatr'izao
Satria ny fitia sy fahafahana
Dia hataoko an-kilabao

RASOA
JONA 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
247 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 30/06/2023 17:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0481