SAINT VALENTIN Ito zavat (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAINT VALENTIN

Ito zavatra nitsiry
Sy nitsimoka ka mamy
Tsy finiavana hikiry
Fa fitiavako izany

Na ny teny maro tsy voahevitra
Niaro tambitamby tsy nety lany
Tsy maintsy koa nifandefitra
Dia fitiavana izany

Ka ireo olona nandratra
Tsy norahirahina tany ho any
Aleo ny helony ho voafafa
Fitiavana koa izany

Indrisy nisy mafy nolalovana
Tsy nilaozana tomany
Tsikintsika no fiarovana
Mbola fitiavana izany

Eny ny fitaizana nifikirana
Fifanampiana sesilany
Tsy nisy nitaraina hoe sahirana
Tena fitiavana izany

Nisy levilevy sy kobay
Toa tena nampijaly
Te hanitsy hono fa tsy hanafay
Porofom-pitiavana izany

Tombon andro raha jerena
Fahasalama mitohy hatrany
Fahasoavana izay Nomena
Fitiavana ambony indrindra izany

Koa indro firahalahina no atolotro
Ho an'ny mpiara-belona eto an tany
Hitsodrano anareo ny molotro
Raiso fitiavana izany

RASOA
14 FEBROARY 2023
--------
Rohy:
564 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 07/03/2023 16:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145