TANALAHY (RASOA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saiko notezaiko, mazoto ny hanome
Tongotro malaina ny hikisaka andeha
Ny foko no mibaiko maika ny hanolotra
Ireo tanako ao ivoho, mitady valiny sy tsolotra

Madio ny eritreritra, toa manao ny tsara
Raha manorisory ahy, valifaty ny ao afara
Endrey ireo teny mamy nataoko hatrinny ela
Sendra ny mamiratra aho Dia nivadi-dela

Izay tarigetra tsy mba niviliana
Tojo fisedrana Aho dia adinoko nariana
Hatramin' ny fihetsika maha te hidera
Tsy te ho tara toetr'andro,Dia nariana Sy navela

Izany tokoa no olona toa tanalahy
Miovaova loko @ izay maha mety ahy


RASOA
NOV 2014
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
245 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 05/01/2023 17:42
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113