TETEZANA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andao tetezana no hamboarina
Hanefy antsika tsy hivarina
Ahazoantsika mifandray
Hifampianarana izany tsy hay
Dia ho tiantsika ny hifangaro
Tsy ho vitsy fa ho maro
Ka na ny fotsy, na ny mainty, na ny mena
Tsy misy avaka fa samy ekena

Andao tetezana no ahorina
Izay sakatsakana esorina
Izay tonga tsy ho tohitra
Tongava soa miara mirohitra
Tsy asiana hoe tompon-tany
Fa miara migoka izay mamy
Tsy asiana ankisavasava
Ka ho voahilika amin'ny loko tava

Andao ireo tetezana arenina
Fa tsy izay mahantra dia afenina
Ny fifaneraserana mampivoatra
Izay hidina an-trano dia mitraotra
Ka andao hiezaka hisokatra
Hifanohana tsy ho potraka
Dia ny fontsika no tetezana
Ho iray daholo izany any am- pihelezana

RASOA
AOGOSITRA 2016 ( Election Trump)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
289 1
Mpakafy: rarakivy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 06/08/2022 10:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144