TIAKO IANAO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao
Tsy fiteny fotsiny araraka
Fa asiana fihetsika manaraka
Tambitamby, fandeferana
Fanomezana tsy ferana

Tiako ianao
Dia zakaiko izay tsy zaka
Ny mavesatra voabata
Ahatsapana fa vita mora
Ny rehetra anaty angola

Tiako ianao
Indraindray isika mimenomenona
Tsy tanty mihitsy tsy afenina
Nefa izay no zava- misy
Ekena tsy fanaratsiana fa mifanitsy

RASOA
SEPTAMBRA 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 03/09/2024 19:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2491