TIAKO IANAO RY FIAINAKO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry fiainako
Isan'andro no hiainako
Ny fiarahantsika tsotsotra
Tsy dia misy zavatra mivoitra
Nefa feno hafanana
Tsy mba nitady fahefana
Tena iriko mba aharitra
Tsy hitadiavam- boninahitra

Tiako ianao ry fiainako
Feno fitiavana hiainako
Ireto taranaka miha- lehibe
Tsy mbola foiko mihitsy andeha
Ity vady eto anilako
Ny fitiavako azy tsy nanimbinako
Ary ireto mpiraitampo sy tapaka
Tsy mbola Nasiany latsaka

Tiako ianao ry fiainako
Fa misy asa mba hiainako
Satria maro no tsy manana
Izaho tsy hitaraina miepa- tanäna
Sady koa mbola salama
Afaka mijoro tsara
Mahatsiaro fa niangarana
Misaotra anao nisy nianarana

Tiako ianao ry fiainako
Tsy fantatra ny ampitso hiainako
Ny lasantsika tsy hanenenana
Ny ho avintsika ho fanaperana
Ka raha ny fahanterako tsy ho voafehy
Dia hisaraka isika samy andeha
Mba ho maivana toy ny nitantanako
No hitondranao ireto zanako

RASOA
SEPTAMBRA 2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fiainana
376 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 18/04/2022 18:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099