You are here: home > Vetso

TSENA - RASOA

Azo vakiana?

Olona mifanaretsaka
Tena mifanitsa-kitro
Tsy mitsahatra miresaka
Ny anio sy ny ampitso
Manampy koa ny mpivarotra
Miantsoantso ireo mpividy
Tena hita mihitsy fa mikaroka
Mitady hamily ny safidy

Betsaka ny olona tsy fantatra
Nefa matetika mifanena
Dia arahabaina tsy mihaotra
Hatao ahoana ny hienaena
Tazako tao i Ravao
Efa ela no tsy heno
Tsy dia misy vaovao
Fa ny harony no feno
I Rakoto ilay narary
Sitrana nahazo hery
Andeha hividy voasary
Manararaotra mba mijery
Rasoa nilaza maika
Misy entana henjehiny
Te hiresaka fa saingy
Maro ny zavatra herehiny

Ny tantsaha mampiaka-bokatra
Mampiseho ny an 'ny tena
Ny mpiompy koa mirotsaka
Mivarotra amin'ny kilao.ny hena
Dia samy mihezaka mivarotra
Asa hatao ahavelona
Tsara tokony ho tazonina
Hifanenan'ny olombelona

Izay tsy misy ho vidina
Dia mandeha mitetitety
Manontany vidin'entana
Na mampiresaka vetivety
Ny hariva vizana.toa fanina
Samy mangorona ny entana
Ny mpanadio sisa no mijanona
Samy nahita fahafinaretana

             RASOA
             JANOARY 2014

Mombamomba

Mpanoratra : RASOA

Nampiditra : RASOA16
Daty : 19/04/2022
Mpamangy : 88
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSY NISALASALA
MPANOFA
FAHENDRENY
MIOVĂ€
MAMPIARAKA
MAMAKY BOKY
HENTITRA
NY HAZO
RAHA HO AVY
FOTOANA