TSY MAMPILAMINA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy eritreritra tsy mampilamina Mahafaly ahy raha mba mijanona
Efa hatrin'ny ela no toa mahafanina
Manaraka ahy andro aman'alina

Oreo zava-bitako tena azo kianina
Maro koa no tsy vita, tsy
nosahanina
Ny fianakaviako zary "tsy manan-kohànina"
Izay mba novoleko, Tsy misy vanona

Koa rehefa nodinihina sy notazanina
Dia tsy afaka mihitsy aho hiaminkamina
Satria mbola maro ireo ho takarina
Izay vao tafatsangana ka ho tafarina

RASOA
12 JONA 2023 ( 10H BREAL)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
204 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 29/06/2023 16:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146