TSY MILAMIN-TSAINA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maninona aho no tsy milamin-tsaina
Toa teritery, tsy afaka miaina
Sao dia mitady zavatra tsy takatra
Na manahy hoe tsy ho tody ho tafakatra
Ka manao fanenjika zary mifaninana
Dia mihazakazaka mahatsiaro hoe sahirana
Sa kosa ary feno ny hasambarana
Dia be fanahiana ndrao dia mifarana

Maninona tokoa ary aho no be fanahiana
Toa tsy mahatoky izato fitahiana
Indrisy hatramin'ny fitadiavana sy asa
Dia mitebiteby tony tamin'ny lasa
Tsy misy fanantenana koa ny afara
Fa toa manalavitra izany fiainan-tsara
Sa kosa ary ireto zavatsoa mitobaka
No mampatahotra ahy, hoe hisy indray handrobaka

Mitebiteby Aho, tsy mety mijanona
Tsy maharay tena, hita hoe fanina
Mivadibadika, tsy mahita tory
Nefa tsy misy zavatra mitranga akory
Izany tokoa angamba ny hoe marary saina
Tsy mety tafatombina fa mitaintaina

RASOA
17 MARSA 2022
--------
Rohy:
306 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 05/08/2022 19:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142