You are here: home > Vetso

TSY NISALASALA - RASOA

Azo vakiana?

Misalasala foana aho
Amin'ny zavatra hatao
Tsy mety mihitsy tapak'hevitra
Fa toa mandroso sy mihemotra
Maka ambony, maka ambany
Tsy mitsaha- manontany
Indraindray dia mahasosotra
Fa maro be ny zava-botsitra
Satria hilaozako mihenahena
Rehefa avy eo aho dia manenina
Na ny tany na asa
Dia lasan'olon-kafa
Eny hatramin'ny fitaizana
Dia matahotra aho mazana
Hoe izao ve no tena lalana
Sa misy hafa azo hampiharina

Ny any tsy mba nisalasalako
Tamin'ny andro nahitako
Anao tamin'ny voalohany
Dia nikiry aho hisy tohiny
Ny fitia no nibaiko
Niandriandry tena tsy haiko
Avy hatrany ianao dia niantsampazako
Satria fantatro fa ho aviko
Ka na inona mety fandrarana
Sy lala-mafy niombana
Dia niady aho ka nifikitra
Tena resy ireo nanifika
Tena tsy misy hanenenako
Raha mbola tsy maintsy hatao
Dia hiverenako

            RASOA
            JANOARY 2013

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : RASOA

Nampiditra : RASOA16
Daty : 01/05/2022
Mpamangy : 156
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MPANOFA
FAHENDRENY
MIOVĂ€
MAMPIARAKA
TSENA
MAMAKY BOKY
HENTITRA
NY HAZO
RAHA HO AVY
FOTOANA