VAROTRA TSY RAIKITRA (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahita ahy izy dia nidingina
Nanao ahy ho tsinotsinona
Nanambitamby, nikitikitika
Nanontany hoe ohatrinona

Fantany ny fahoriako
Dia te izy hanjakazaka
Nefa ny vidiko tsy ho hambaniko
Nilaza izy fa tsy mahazaka

Ny faniriany anefa nihitatra
Tsy nahafehy tena razazalahy
Dia niteny tsy ampiheverana
Te hibedabeda ahy

Dia nisaraka mangina
Tsy nisy fifandraisana-tanana
Fitsarana ivelany no betsaka
Tsy mahalala ny tsy fananana

RASOA
JANOARY 2014
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
553 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOA
Inséré par : RASOA16
Date : 06/01/2023 10:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114