VETIVETY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MItsingerina ny taona
Tsy hita mhitsy ny fandehany
Tsy voafehy ny fotoana
Na izay mety ho asehony

Fahazazana izay nilaozana
Tsy hitahita dia nafoy
Ilay " fahamaivan'ny fiainana"
Tsy hita intsony hoe " antsoy"

Ireny tanjaka sy hery
"Nirehareha" ny hatanorana
Nihavery tsikelikely
Tonga ny tsy fahasalamana

Ireto zaza izay tiana
Toa vao omaly no ninono
Tsy hita akory ny fahalebihazany
Dia andeha sahady hono

Miova volo tsy tsapa akory
Vetivety toa haolo
Ao anatin'ny indray mipi-maso
Dia hilaozana daholo

RASOA
JANOARY 2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
263 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 10/04/2022 17:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1206