FIKASANA ! (RATSIMBA Georges)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-“Tsy haditra intsony aho, ry dada sy neny,
“Manomboka anio :
“Ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny
“Sy hanao madio,
“Ny boky tsy horovidrovitiko intsony,
“Ny soratro kosa
“Hokaliako tsara…Ary isa ambony :
“No ataoko miavosa !”

-“Fa inona anefa, hoy dada sy neny,
“No anton’izao?”
“Dia hoy Ikotokely namaly an’ireny :
-“Ny taombaovao !”
“Kinanjo ny ampitso hadinon’Ikoto
Ny voadiny omaly !
Ny isany ? –Atody. Ny tena ? –Maloto.
Rainy tsy faly!...

Ry zoky sy zandry, fidera tokoa
Ny tsara fikasa ;
Kanefa ny teny mba inona moa
Rah’tsy arahina asa ?

Samia àry miezaka isika rehetra,
Na inon-katao,
Hanatanteraka ny tarigetra-
N’ny Taombaovao !

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
--------
Rohy:
2968 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0982