DIA AFAKA 'LAY TANINDRAZAKO - RATSIMBA Georges
Azo vakiana?
Andeha horontsoniko indray
‘Lay lokanga nihantona ela
‘Reo kalon’ny fo fahizay
No hamaha ny fatoran’ny lela
Hoy ny kalon’ny fo fahizay
Raha hadinoko ianao re ry taniko
Hanadino ny tanako iray
Ny lela hiraikitra an-danilaniko
Ny ampitso dia saro-pantarina
Ka nikombona aloha ny vavako
‘Zao kosa dia tsapako marina
Tena afaka ‘lay Tanindrazako
Tsy mandihy tsy afa-tavony
Fahendrena navelan’ny razako
‘Zao kosa tsy resaka intsony
Tena afaka ny Tanindrazako
‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako
Ka rontsoniko indray ny lokanga
Tsy nofisiko intsony fa tazako
‘Lay masoandro eny an-danitra manga
‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako
Ka mitraka ny fo ato anaty
Noratrain’ireo hafa karazana
Sy ‘reo tapaka tia vola maty
‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako
Ka ho tapitra hatreo ve ny asa?
Vao maika ho mafy ny fiezako
Nanompoako azy tamin’ny lasa
Famaranana ity tonom-bavako :
“Zanahary ry Tompo mahery,
Mba tantano e ty Tanindrazako
Ny fiandrianany anie tsy ho very.
Ambanidia, 26 jona 1960
Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Mombamomba
Mpanoratra : RATSIMBA Georges

Nampiditra : naritsimba
Daty : 21/06/2010
Mpamangy : 1880
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LASA ILAY MAHERY FOTILY AHO
MBA SAMBATRA KOSA…(NRRG)
MBA SAMBATRA KOSA…
NY TENA SAKAIZA
FIKASANA !
VOALOHAM-PITIAVANA !
KINDRIANDRIANA
DIA AFAKA ‘LAY TANINDRAZAKO
TANINDRAZANA